Amin’izao fahatongavan’ny taombaovao izao, dia tianay ny maneho aminareo ny fankasitrahanay tanteraka ny fanohananareo nandritra ny taona 2023. Tanteraka soamantsara ireo fikasana rehetra noho ny finiavana sy fanampianareo : ny fanorenana trano fianarana, ny fitsaboana ara-pahasalamana ary ny fametrahana lamin’asa fihofanana.
Izany no tontosa dia noho ny fiaraha-miasa sy ny fahatokisanareo, koa fisaorana feno no atolotray noho izany.
Nifampitantana isika tamin’izany mba hitondra fanovàna mivaingana eo amin’ny fiainan’ny mponina malagasy.
Koa amin’izao taona vaovao izao dia mbola marisika tokoa izahay hanohy ny asa ho an’i Madagasikara. Amin’ny ity taona 2024 ity dia maro ny tetikasa goavana tianay ho tanterahina : hitarina ny lamin’asa eo amin’ny sehatry ny fampianarana ; atao izay hahazahoan’ny tsirairay rano an-tokatrano, ary ho tohizana ny ezaka mikasika ny fahasalamana.
Herikerika maha-tondradrano hono, ka ny fanampian’ny tsirairay no hazahoana voka-dehibe.
Misaotra ireo rehetra tamin’ny fandraisana andraikitra araka izay tandrify azy avy, dia ireo miasa maimaim-poana, ireo mpiara-miombon’antoka mavitrika, ary ireo malala-tanana be fitiavana.
Ny fanampianareo tsy tapaka no mandan’ny asanay, ary sambatra tokoa izahay manana anareo.
Alors que nous franchissons le seuil de la nouvelle année, nous tenons à vous exprimer notre plus profonde gratitude pour votre soutien inébranlable tout au long de l’année passée. En 2023, grâce à votre générosité et votre dévouement, SOS Madagascar a pu concrétiser des projets extraordinaires.
Nous avons œuvré main dans la main pour apporter des changements concrets dans les vies des communautés malgaches. Ensemble, nous avons construit des écoles, fourni des soins médicaux essentiels, et mis en place des programmes de formation professionnelle. Ces réalisations sont le fruit de votre confiance et de votre solidarité, et nous en sommes infiniment reconnaissants.
En cette nouvelle année, notre engagement envers Madagascar reste plus fort que jamais. En 2024, nous avons de grands projets en perspective. Nous envisageons d’étendre nos programmes éducatifs, d’améliorer l’accès à l’eau potable et de renforcer nos efforts dans le domaine de la santé. Nous croyons fermement que chaque petit geste compte et peut contribuer à créer un impact positif à grande échelle.
Nous tenons également à saluer tous ceux qui se sont impliqués dans notre association à quelque niveau que ce soit : nos bénévoles dévoués, nos partenaires engagés et nos donateurs généreux. Votre soutien continu est la pierre angulaire de notre action, et nous sommes honorés de pouvoir compter sur votre appui précieux.
Bonne Année 2024 ! Ensemble, continuons à bâtir un avenir meilleur pour Madagascar. Votre soutien fait la différence et donne de l’espoir à des milliers de vies.